Mpikamban’ny Ceni : Miasa avy hatrany ireo nahavita fianianana

Vita fianianana teny amin’ ny Fitsarana an-tampony, Anosy, omaly, ireo mpikambana enina vaovao eo anivon’ny Ceni. Rajafetra Setraniaina Solomanjaka Abraham avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rambina Danielle Oméga (Fitsarana an-tampony), Ra­be­to­kotany Mamy (Holafitry ny mpisolovava), Rakotoa­risoa Anitra Soanjanahary (Holafitry ny mpanao gazety), Rabenan­drasana Cyril sy Andria­tsimiala Lanjaniony Sariaka (fiarahamonina sivily) izy ireo. “Mandray ny asany avy hatrany ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Ceni”, hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety. Eny, na banga roa aza ny mpikambana: tsy misy ny solontenan’ny Antenimieran­doholona sy ny filohan’ny Fanavaozana. Olom-boafidy avokoa izy ireo: tsy misy azo atao ny fanalana, fa manapitra ny fe-potoam-piasana.
Lehibe amin’ny andraikitr’­ izy ireo ny fanombohana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, hiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana 2027. Eo koa ny fanomanana ny fikaonandoha savaranonando ho an’ny rehetra momba ny fifidianana, ha­nomanana ny fikaonandoham-pirenena. Asa koa ny fanadiovana ny mpikambana, tsy amin’ny foibe ihany fa ireo rantsa-mangaika rehetra. Ao anatin’ny roa volana no hanomanana ny fitaovana hanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Faramparan’ny jona ny fitetezana ny isan-tokantrano, hanisana ny mpifidy. Tom­banana hifarana amin’ny 25 avrily 2027 ny fanavaozana lisi-pifidianana: hiatrehana fitsapan-kevi-bahoaka, jona 20­27; ny fifidianana filohan’ny Repoblika, oktobra 2027. Nanome toky izy fa hanaraka lalàna sy hampihatra ny fangaraharana ary hampandray anjara ny rehetra amin’izay rehetra hatao amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: