Fitantanana ny fifidianana : Handraisan’ny Ceni fepetra ireo tsy nanara-dalàna

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny biraon’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, omaly, tetsy Alarobia. Nambarany fa efa natao ny fanadihadiana amin’ireo rantsa-mangaikan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity hatreny ifotony.

Nohitsiny, tamin’izany, fa misy ireo mpikamban’ny Ceni, tsy mendrika intsony. Nandika lalàna sy tsy nanaja ny fitsipiky ny Ceni. Tao ireo nanodinkodina ny voka-pifidianana, na koa na­nana toetra tsy mendrika… «Hoentina amin’ny fitsarana ireo nanodinkodim-bola. Han­draisana fepetra ara-pitantanana kosa ka ho esorina amin’ny andraikiny ny sasany», hoy izy.
Notsiahiviny koa fa hirosoana ny fanavaozana ma­nontolo ny lisi-pifidianana ma­noloana ny fanakianana izany. Nanteriny fa nandray fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana ka tsy ampiasa intsony ny lisi-pifidianana niteraka olana teto amin’ny firenena. Ezahin’ny Ceni mba ho lisitra feno sy madio, ahitana ny ankamaroan’ny Malagasy manan-jo hifidy izany ka tombanana hahatratra eo amin’ny 14 tapitrisa eo, araka ny nambarany. Hofaranana vonjimaika ny janoary 2027 ny fanavaozana izany lisitra izany ary faranana tanteraka kosa ny 25 avrily 2027. «Hiantso manam-pahaizan’ireo antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena izahay hiaraka hitsirika ny lisi-pifidianana sy hanao fanadihadiana. Misokatra amin’ny rehetra ny Ceni amin’izany», hoy ihany izy.

Naka traikefa tany Rosia

Etsy andaniny, nambarany fa vonona hatrany ny Ceni amin’ireo fifidianana ho avy na ho fidiana ny lalàmpanorenana na ho fitsapan-kevi-bahoaka. Tahaka izany koa amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa. «Antony hanombohana ny fanomanana ny lisi-pifidianana izany mba ho voahaja ny fe-potona», hoy ihany izy. Na izany aza, nambarany fa ilaina fanovana ny lalàna momba ny fifidianana.
Momba ny diany tany Rosia kosa, nambarany fa naka traikefa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana no nandehanany tany, araka ny fanasana. Vonona hanampy amin’ny vola sy fitaovana ary ny ara-teknika ny Rosianina, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: