“Tsy hoe ratsy ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Anosy, omaly, momba ny fitsinjaram-pahefana mahabe resaka amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert, Repoblika III, nisy ny lalàna 94-007 sy ny 94 -008. Misy ny lalàna, fa tsy nampiharina. Aoka tsy hohadinoina fa na ny firenena matanjaka toa an’i Frantsa aza, sahirana manao an’izany fitsinjaram-pahefana izany. Tsy vita ao anatin’ny iray volana na herintaona ny fitsinjaram-pahefana. Mila fotoana lava ny fanatanterahana azy. Nanomboka tamin’ny taona 1993 i Madagasikara no nanao fitsinjaram-pahefana. 30 taona aty aoriana, tsy vita sy tsy tanteraka ary tsy mety ho feno. Inona no antony? Tsy nampiharina ny lalàna.
Tonga teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana, teo ny lalàna 2004-001 izay namoronana ny Faritra, fa tsy nofidina ny filohan’ny Faritra. Tsy mety ho feno hatrany ny fitsinjaram-pahefana. Tamin’ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina koa, teo ny 2024-018 izay lalàna fehizoro momba ny fitsinjaram-pahefana. Teo koa ny lalàna 2014-020, fa tsy notanterahina. Misy ny lalàna fa ny olana eto amin’ny tany sy ny fanjakana: tsy ampiharina ny lalàna. Izay no takina amin’ izao. Tsy ratsy ny fitsinjaram-pahefana fa tsy nampiharina.
Raha te hiditra marina amin’ny fanavaozana, andao tena hampiharina ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hampidirina amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Ho hita eo ny tohiny… Izay tapaky ny vahoaka malagasy no hotanterahina.
R. Nd.




