Nitohy ny asabotsy teo, teny Ambohijatovo, ny hetsiky ny Gen Z, mitonona ho tsy mpisolelaka sy tsy voavidy vola sy toerana. Nambaran’izy ireo fa tsy miova ny fitakiana. Anisan’izany ny handravana tsy misy hatak’andro ireo Andrimpanjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny Ceni. Vitsivitsy izy ireo no tonga teny an-toerana.
Nesorina amin’ny maha sefo fokontany Anosizato Atsinanana azy ny mpanorina ny Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina, araka ny nambarany. Natsidiny fa hifantoka bebe kokoa amin’ny tetikasa sy asa fampandrosoana ary eo anilan’ny firenena hatrany izy. «Haneho fitiavan-tanindrazana sy fampandrosoana fa tsy hanohitra na hitsikera befahatany», hoy izy.
Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, fa ho tanteraka ny fampandrosoana rehefa miara-mientana ny rehetra. «Ilaina izany na avy amin’ny ankolafy inona na inona», hoy izy. Nanolotra fampitaovana teny amin’ny CEG Andranomena ny tenany, ny faran’ny herinandro teo.
Hentitra ny avy amin’ny NGPM, tarihin-dRamiarantsoelina Lova, manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa mbola maro ireo «Forongony» niaraka amin’ny fitondrana teo aloha any anaty minisitera any. «Manimba endrika ny fitondrana fanavaozana ireny», hoy izy. Momba ireo fitakiana samihafa kosa, nambarany fa ilaina ny mifampiresaka.




