Africa Forward : Mandray anjara ny filohan’ny Fanavaozana

Nihazo an’i Kenya, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana. Anisan’ireo filoham-panjakana handray anjara amin’ny « Africa Forward » hatao any an-toerana, anio, ny tenany.

“Fiaraha-miombon’antoka Afrika sy Fran­tsa ho amin’ny fanavaozana sy ny fiarovana”. Io no lohahevitry ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy i Frantsa 2026, hatao atsy Nairobi, Ke­nya, anio. Nanainga teto an-tanindrazana, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Tompomarika amin’ny hetsika ny filoha kenyanina sy ny filoha frantsay. 2 000 ireo mpandray anjara, ary 30 ireo filoham-panjakana. Tanjona ny hanamafisana ny fifandraisana an-toekarena sy ny fahaiza-mamorona ary ny fampandrosoana maharitra ho tany roa tonta. Eo koa ny fiaraha-miasa fiombonan’antoka anasongadinana ny fahaiza-manaon’ny Afrikanina, ny fa­haleovantena amin’ny sakafo, ny fifaninanana amin’ny haitao niomerika, ny angovo azo havaozina…
Efa nanomboka afakomaly ny fampirantiana ny momba ny fikarohana sy fampandrosoana sosialy, dinika niarahan’ireo fiarahamonina sivily avy aty Afrika sy any Frantsa. Nisy ny fihaonan’ireo mpandraharaha, omaly, tao amin’ny oniversite any an-toerana, ny fihaonana momba ny tanora sy ny sehatry ny famoronana notarihin’ny filoha roa tonta, ny fivoriana momba ny famokarana aty Afrika, ny amin’ny fikarohana zava-baovao, ny fifandraisana mivantana amin’ ny mpandraharaha sy mpampiasa vola mahatrara 1 500…
Maro ireo tomponandraiki-panjakana sy tomponandraikitra avy amin’ny sehatra samihafa no nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Fana­vao­zana. Heverina fa hitondra dingana lehibe sy ainga vao eo amin’ny sehatry ny diplomasia izao fihaonana Africa Forward izao, indrindra ho amin’ny fanavaozana. Nam­barany teny Ivato, omaly, fa misy ny fifanaraham-piaraha-miasa mbola tsy vita sonia eo amin’ny sehatry ny angovo, solitany, harena an-kibon’ny tany, fambolena sy fiompiana…

R. Nd.

Partager sur: