FANTINA sy FINTINA

Nametra-pialana, omaly, ny ben’ny Tanà­nan’Antsirabe, Rasamimanana Honoré Gabriel, sy ny ekipany. Nandritra ny fananganan-tsaina no nanambarany izany, nanoloana ny mpiasa. Anisan’ny anton’ny fanapahan-kevitra ny olan’ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny 13 volana. Eo koa ny momba ny fitokonan’ireo mpiasa, mitaky hatrany ny karamany.

Nampandalovina tetsy amin’ny Lapan’i Tsim­ba­zaza ny nofo mangatsiakan’ny ben’ny Tanànan’i Toliara, Rabehaja Jean, omaly. Nentina any Toliara izany avy eo rehefa avy nandrasana tetsy Mahamasina, ny alahady alina teo. Tsiahivina fa nodimandry tany Inde, rehefa nanaraka fitsaboana tany an-toerana, ny tenany.

Hiaraka hitaky ny fandravana ireo rafitra rehetra amin’ny Gen Z sy ny Ivon’ny fanovana ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR). Nambaran’ny mpitarika, Rabetsitonta Tovonanahary, fa tsy eny an-dalambe no hanaovana azy. « Hotanterahina amin’ny alalan’ny fikaondoham-pirenena izany. Manohana ny tolona nataon’ny tanora », hoy izy.

Betsaka ny fitarainana momba ny fomba fiasan’ireo mpiasa eo anivon’ny Boriborintany fahatelo, araka ny nambaran’ny “Déléguée” eny an-toerana, omaly. Anisan’izany ny fikarakarana taratasy sy ny kolikoly. « Tsy handeferana intsony ireo tratra manao izany manomboka izao. Harindra koa ny fandraisana ireo mila raharaha eto », hoy izy.

Partager sur: