Voarohirohy amin’ny fangalarana tany marobe no itorian’olona azy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, mpanao gazety, teny Anosy, omaly, taorin’ny fametrahana amin’ny toerany ireo filoham-pitsarana maromaro, ny amin’ny fanenjehana ny depiote Naivo Raholidina. Misy amin’ireo nilaza fa nangalarany tany no nisiana fikasihan-tanana. Maromaro ny olona mitory azy, maromaro koa ny fanadihadiana atao aminy, amin’izao.
Nomena 45 andro kosa ny Inspection générale d’État (IGE) hanomezana any amin’ny fitsarana ny lisitry ny olona tokony hoenjehina tamin’ny nananganana ny trano Havoria, Anosy, tao anatin’ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty. Ao anatin’izay 45 andro izay, tokony ho azon’ny fitsarana: iza avokoa ireo olona tokony hoenjehina? Efa misy lisitra navoakan-dry zareo mba hanomezana ny tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara sy hahazoan’ny IGE manao fanadihadiana. Rehefa tonga eny amin’ny fitsarana ny raharaha, ho fantatra amin’izay hoe: ao anatiny ve ny momba ny Havoria?
“Diso ny filazana hoe tsy nahazo fitsaboana Riana Rakotomanga”, hoy kosa izy momba io voafonja io. Noho ny aretina mitaiza azy, nangataka hivoaka hotsaboina izy. Mitsinjo hatrany ny fahasalamana sy ny maha olona ny voafonja ny fitsarana, ary mamela malalaka ny voafonja sy ny fianakaviany hanohy ny fitsaboana. Navoaka izy ary notsaboina tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Efa niverina any amin’ny fonjan’i Manjakandriana izy, ary mangataka ny fizaham-pahasalamana hafa.
Farany, momba ny fifaninanana hiditra ho mpianatra ho mpitsara eny anivon’ny Sekolim-pirenena fanofanana ho mpitsara (ENMG), misy ny fanadihadiana ataon’ny Bianco. Miandry ny valin’izay ny fanohizana na tsia ny fifaninanana.
R. Nd.




