Nisinisy ny filoham-pirenena niara-nidinika tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tany Nairobi. Anisan’izany ny Kenianina, Ivoarianina, Egyptianina, sns.
Ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola stratejika ary ny fiaraha-miasa hanohanana ny tetikasa fampandrosoana aty amin’ny firenena afrikanina. Izay no nifantohan’ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy ny Frantsay “Africa Forward” 2026, natao atsy Nairobi, Kenya, omaly. Anisan’ny nandray anjara navitrika tamin’izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël. Niompana be dia be tamin’ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana miisa 30, araka ny lohahevitra: “Fiaraha-miombon’antoka Afrika sy Frantsa ho amin’ny fanavaozana sy ny fiarovana”.
Nandray anjara mivantana tamin’ny fihaonana an-tampony ny filohan’ny Fanavaozana. Mazava ny vinan’i Madagasikara: ny fanovana amin’ny fambolena sy famokarana lamba ary fampandrosoana niomerika. Eo koa ny fampivoarana ny varotra ho maoderina amin’ny fifanakalozana fahaiza-manao. Tanjona ny fiantsoana ny mpampiasa vola ho amin’ny fanatevenana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny sehatry ny faritra sy ny iraisam-pirenena.
Ankoatra ny fihaonana an-tampony, nisy ohatra, ny fihaonana manokan’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ny filohan’ ny Côte d’Ivoire, i Alassane Ouattara, nialoha ny fihaonana an-tampony. Hifanakalozan’ny roa tonta hevitra ny amin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Côte d’Ivoire sy i Madagasikara. Ao anatin’izany ny olana isam-paritra sy iraisam-pirenena. Anisan’izany ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fampandrosoana ny kaontinanta.
Aorian’ny diany any Nairobi, Kenya, hanao fitsidihana ara-pomba fifanajana an’i Congo Brazzaville, ny filohan’ny Fanavaozana, araka ny fanasan’ny filoha kongoley, Denis Sassou-Ngesso.
R. Nd.




