Nihaona tamin’ireo teratany malagasy milaravinahitra any Kenya ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady sy ireo minisitra maromaro eo anivon’ny governemanta. Nampahafantariny, tamin’izany, ny momba ny raharaham-pirenena.
Nambarany fa kendrena ho vita mialoha ny faran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena, ialohavan’ny fifidianana izay ho Lalàmpanorenana. «Tsy hisy velively izany Tetezamiitatra izany… Aoka hifantoka amin’ny fiainana sy ny asa fitadiavana fa tsy handany andro amin’ny fanaratsiana anaty tambajotran-tserasera», hoy izy. Nentaniny ny rehetra hifantoka tanteraka amin’ny fikaonandoham-pirenena, hahatongavana amin’ireo fifidianana ka iandrandrana fiainana vaovao ho an’ny firenena.
Anisan’ny nanteriny nanoloana ireo mpanao gazety vahiny kosa, taorian’ny fahavitan’ny fihaonana «Africa Forward» tao Kenya, fa anisan’ny harena ho an’i Madagasikara ny tanora. Maherin’ny 70% izy ireo, araka ny nambarany. «Latsaka ambany ny firenena ka manarina izany izahay izao ary hamerina indray ny firenena amin’ny toerana maha izy azy…», hoy izy. Momba ny fihaonana an-tampony tany an-toerana kosa, notsindriny fa ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny dingana fanavaozana hoentin’i Madagasikara mankany amin’ny Repoblika vaovao.
Hanavao ny lisi-pifidiana ny Ceni
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny tany Congo Brazzaville ny dian’ny Filoham-panjakana, mivady, ny alarobia teo. Nihaona tamin’ny filoha, Denis Sassou N’Guesso, ny tenany. Nohamafisiny, tamin’izany, fa efa nanao fianianana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Ceni. «Hisahana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izy ireo», hoy izy. Nohamafisiny koa fa efa mandeha ny famahana ny olana politika. “Efa mandeha ny dingana ho famahana ny olana politika amin’ny fitondrana Fanavaozana amin’izao”, hoy izy.
Nanambara kosa ny filoha Kongoley fa mitovy ny tantaran’ny firenena roa tonta, taorian’ny ady an-trano tany an-toerana ka nametrahan’ny mpitondra ny fanavaozana tao Congo Brazzaville. «Mankahery anareo izahay. Anisan’ny nataonay ny niantso ny hery rehetra hametraka Andrimpanjakana fanavaozana… Ilaina ny fitoniana sy filaminana ho an’i Afrika ary tokony hitambatra isika hiara-hiatrika ny savorovoro eo amin’izao tontolo izao», hoy izy.
Synèse R.




