Tsy mankasitraka ny firotsahan-kofidian’ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena ny depiote voafidy ao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Nambarany fa tsy mety sady tsy azo antoka izany. «Tokony hilaza mazava izy ireo na ho kandidà na tsia sao ahina hiteraka krizy hafa eto indray», hoy izy.
Tokony hivoaka aorian’ny fikaonandoham-pirenena ny datim-pifidianana, hotanterahina eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, ny herinandro. «Tokony hodinihina amin’ izany koa ny fandravana sy ny fanovana ireo Andrimpanjakana sy rafitra mijoro, nahabe resaka hatramin’ izay», hoy izy.
Nifampidinihana tao Menabe ny hoavin’ny antoko Tim any an-toerana. Tafiditra amin’ny fameloma-maso ny antoko izany sady nandinihina ny raharaham-pirenena. Nitarika izany ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. Nampita hafatra tamin’ izany koa ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc.
Naneho ny heviny ny mpanolotsaina manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Raobelina Andry. Nambarany fa maro ireo fanapahan-kevitra tokony hiandry ny fikaonandoham-pirenena, ary anisan’izany ny momba ny Ceni. «Tsy mbola voafafa ny nataon’io rafitra io nandritra ireo fifidianana nifandimby teto amin’ny firenena», hoy izy.




