Miandry ny valin’ny fitoriana napetrany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny depiote Randriamampianina Rajerison Antoine, voafidy tao Arivonimamo, avy amin’ny tsy miankina. Anton’izany fitoriana izany ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy firenena ataon’ny Fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao. «Tsapantsika ireo fihoaram-pefy sy fandikana ny Lalàmpanorenena ataon’ny fitondra ankehitriny. Tsy ampy intsony ny fitabatabana sy fahenoana hatezerana fa tonga izao ny fotoana hampiasana ireo lalàna sy rafitra napetraka mba hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fanajana ny Lalàmpanorenana», hoy ny fanazavan’ny depiote Rajerison Antoine. Nambarany fa amin’ny maha solombavambahoaka azy dia manana adidy sy andraikitra izy hitondra ny feon’ny vahoaka manoloana ireo tranga sy ireo zavatra tsy mety miseho eto amin’ny tany sy ny firenena. «Tsy avy amin’ny safidim-bahoaka no nahazoana ny fahefam-panjakana ankehitriny. Noho izany, nihena ny fanohanan’ny vahoaka noho ny fitantanana ny raharaham-panjakana», hoy izy. Nolazain’ ity solombavahoaka ity fa nanitsakitsaka ny fianianana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianiriana Michaël, satria tsy araka izany ny zava-misy sy ny fomba entiny hitantanana ny firenena amin’izao. Tafiditra ao anatin’ izany ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona rehefa manao fisavana tranon’olona sy fanadihadiana ireo olona voarohirohy amina raharaha heverina ho fandikan-dalàna. Eo koa ny fampiasana ireo miaramila vahiny mpiambina azy manokana sy ireo lehibena andrimpanjakana sasany, araka ny fanazavany hatrany. Marihina fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fidinana an-dalambe niaraka tamin’ireo tanora Gen Z ny volana septambra 2025 lasa teo ity solombavahoaka ity ka niampiongana ny fitondrana Rajoelina.
Jean Claude




