Kardinaly Tsarahazana Désiré : « Tena tsy rariny izao misy antsika izao »

Nomarihina ny sabotsy teo, tao amin’ny Ekar St Joseph Toamasina, ny fankalazana ny faha-25 taona naha eveka ny kardinaly, Mgr Tsarahazana Desiré, sy ny faha-40 taona nanosorana azy ho pretra. Teny faneva nentiny tamin’izany ary nampitany ny hafatra ny hoe “Tsy ny fijaliana no tompon’ny teny farany». Nentaniny ny rehetra ary nitodihany manokana ny ao Toamasina ny amin’ny hanaovana mamirapiratra iny faritra iny sy ny diosezy ma­nontolo. «Tena tsy rariny izao misy antsika izao raha manoloana ny harena ambanin’ny tany sy an-dranomasina misy amintsika eto. Mila miova ny toe-tsain’ny tsirairay, mpitondra sy isika vahoaka entina», hoy izy. Nasongadiny tamin’izany hafatra izany koa ny fijoroany vavolombelona ny fiainany amin’ny maha olom-boahosotra azy. Nambarany fa sarotra no sady maro ny lalana nolalovany. Teo ny nahafaly fa nisy koa ny nanahirana nefa tsy natao mahakivy izany. Izao zaraiko amintsika izao fa teo ny fahatokisana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra. Manampy izany ny fanaovana ny asa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Am-pitiavana. «Asa lavitry ny kolikoly sy fitiavan-tena izany ary asa ahazoana tombontsoa iombonana. Tsy ampoizinao ny fandresena raha tanterakao ireo”, hoy izy.
Tsiahivina fa teraka ny 13 jona 1957, tao Marolambo, ny kardinaly Tsarahazana Dési­ré. Nohamasinina ho eo amin’ny laharan’ny diakra izy ny 15 aogositra 1985, tao Anda­pa. Ny 28 septambra 1986 kosa no nohamasinina ho Pretra, tao Amboangibe. Voa­tendry ho eveka izy ny 18 febroary 2001, dimy ambinifolo taona taty aoriana naha pretra azy ka nisahana voalohany ny diosezin’ i Fenoarivo Atsinanana. Notendrena ho evekan’i Toamasina, ny 14 novambra 2008. Natao ho arsidiosezy i Toamasina, roa taona taorian’izany amin’ny fitambaran’ny diosezin’i Toa­masina sy Fenoarivo Atsina­nana ary Moramanga. Naha­voatendry azy ho arsevekan’i Toamasina, ny 26 febroary 2010 izany.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: