Tsy fahazoana karama: Manome 48 ora ny mpitondra ireo miaramila misotro ronono

Niaka-dapa! Nitokona teny Ampahibe, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, avy eo nihazo an’Ambohitsorohitra ireo miaramila an-jatony, misotro ronono. Nitaky ny volany izy ireo ary nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana. 

Nambaran’izy ireo, ta­min’izany, ny fitakiana ny volan’izy ireo, ary nanomezany fe-potoana ao anatin’ny 48 ora hamahana ny olana. Hampiakarina eto an-dRenivohitra avokoa ireo miaramila misotro ronono aman’aliny raha tsy mivaha izany.
Takin’izy ireo koa ny lisitry ny miaramila misotro ronono tokony hisitraka ny zony, na­nomboka ny taona 2003 ka hatramin’izao. «Efa nankatoavin’ny filoham-panjakana ny handoavana izany fisotroan-dronono izany. Tsy voaloa indray mandeha fa tsikelikely ary isaky ny roa volana niaraka amin’ny lisitra ho an’ny olona arivo», hoy ny adjudant major, Etienne. Notakin’izy ireo anefa ny hamoahana ny lisitr’ireo retirety. Mbola misy koa ireo tsy nahazo hatramin’izao sady tsy eto Antanana­rivo avokoa ny maro amin’izy ireo. Aman’aliny ireo misotro ronono, araka ny nambarany hatrany.

Mitaky ny famahana olana haingana

Mahatsiaro ho voahilikilika izy ireo raha naheno fa mbola iandrasana ny tetibola izany ankoatra ny tsy fahazoana va­liny mahafapo. «Vahao haingana ny olana fa sao hiteraka zavatra hafa eo…», hoy izy ireo. Nohamafisiny fa niteny ta­min’izy ireo ny mpiambina manokana ny filoham-panjakana fa efa lasa izany vola izany. Nampametra-panontaniana azy ireo ny nandehanan’izany karaman’izy ireo izany.
Etsy andaniny, nohitrikitrihin’ireo vady miaramila fa manahirana sy mampivezivezy ary mandany vola ny fikarakarana ireo antontan-taratasy. Eo koa ny fitarazohan’izany ka notakin’izy ireo ny hanamorana ireo dingana samihafa sy ny hampiarahana ny vola amin’ny fisotroan-drononon’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: