FANTINA sy FINTINA

Nifarana omaly ny fakan-kevitra ho an’ny tanora eny anivon’ny faritra, natao tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Hifidy ny hisolo tena azy ireo any amin’ny fikaonandoham-pirenena ireo tanora hitondra ny teniny. Tsiahivina fa niainga tany amin’ny kaominina sy ny distrika ny fakan-kevitra ary izao eo amin’ny Faritra izao.

Takina ny hitondrana fanazavana momba ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny mpitarika ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. « Mbola maro ireo teboka manjavozavo ka takina ny hitondrana fanavazana, hisian’ny mangarahara amin’ny fomba fiasa sy ny vokatra andrasana. Tsy ampy koa ny serasera », hoy izy.

Raisina ho tolo-kevitra ireo tsikera sy fanamarihana momba ny fikaonadohan’ny tanora eny ifotony, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena. « Ny tanora rehetra manerana an’i Madagasikara, hatrany ivelany, no hampandraisina anjara amin’io fikaonandoha io », hoy izy.

Efa manomboka miray saina ny Malagasy, araka ny nambaran’ny pasitera Mailhol, tetsy Antanimena, taorian’ny fotoam-bavaka notarihin’ny FFKM, omaly. Nanteriny fa mila havaozina ireo rava. Anisan’izany ny toekarena, ny toe-tsaina… « Tsy tafavoaka intsony isika raha tsy afaka 30 taona any raha tsy vita amin’izao ny fanavaozana ny firenena », hoy izy.

Partager sur: