Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, ankehitriny, nitondra ny heviny ny eo anivon’ny antoko RMDM, tarihin’ny pasitera Tsarahame Edouard. Niaiky ity farany fa misy tokoa ny savorovoro amin’ny fitantanana ny firenena. Nambarany fa anton’izany ny tsy fifandrifian’ny lalàna sy ny notakin’ny mpitolona. « Napetraka araka ny lalàna, nifototra tamin’ny fahabangan-toerana ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Ny vahoaka anefa mitaky ny fanamboarana tanteraka hatramin’ny rafitra rehetra misy. Raha nanantanteraka avy hatrany ny teny nolazain’izy ireo vao nirodana ny fitondrana Rajoelina ny mpitondra dia tsy ho ohatran’izao ny zava-misy eto Madagasikara », hoy izy.
Nanolotra vahaolana ny antoko amin’ny mba hialana amin’ny fisavorovoroana sy ny mba hisian’ny filaminana. « Tena ilaina ny fiaraha-midinika na ilay fikaonandoha. Efa hita sy azo tsapain-tanana ny ezaka vitan’ny mpitondra ankehitriny na eo aza ny fanamby tsy maintsy dinganina na ny sakana tsy maintsy hialana », hoy hatrany izy.
Mahakasika ny mety ho fananganana governemanta iraisana. Manamafy i pasitera fa : « raha izany no hahafahana manatanteraka ny fifanarahana teny an-kianja sy hahazoana mametraka ny tena fanovana, tsy manana olana ny RMDM ».
Mandray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoha isan-karazany ny antoko ary mitondra ny anjara birikiny ihany koa amin’ny tolo-kevitra ho amin’ny fanavaozana.
r.r




