Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Andriantsivoafetra, fa tsy maintsy mbola hirosoana ny fifidianana filoham-pokontany. « Mbola fepetra vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aloha izao », hoy izy. Nolazainy fa tena nisy tokoa ny hetaheta teny an-dalambe nivoaka tamin’ny tolom-bahoaka ny amin’ny tokony hifidianana ny sefo fokontany. Notsindriny anefa fa mbola misy olana eo amin’ny lafiny lalàna ka ilana fanitsiana. Mbola miandry, amin’ny alalan’ny fanendrena izany, aloha izao. Itoviany hevitra amin’ny rehetra sy ny vahoaka kosa anefa ny hanoloana ny 90% mahery amin’ireo sefo fokontany ireo, amin’ny alalan’ny fifidianana mivantana eny ifotony. « Maro ireo tsy nanao ny asany araka ny tokony ho izy amin’ireo sefo fokontany », hoy izy. Natsidiny fa ilaina izany ho amin’ny fikarakarana ny « Biométrique – digitalisation », ny fanomanana ny fifidianana, indrindra ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Ilana mpitantana mahitsy sy tsy mitanila ary tsy mpitsikombakomba amin’ny mpitondra ho fampandaniana kandidà amin’ ny fifidianana izany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa fanesorana ireo heverina ho tsy afaka manohy ny asany no natao aloha, araka ny loharanom-baovao. Mbola ho avy ny didy milaza ny momba ny fanovana ireo sefo fokontany ka mety mbola ho banga ny toeran’ny sefo fokontany sasany eto an-dRenivohitra. Tsy tokony hiandry ela anefa ny fanendrena mba hampandehanana ny raharaha eny ifotony.
Synèse R.




