Hafatra Pentekosta FFKM : “Aoka ho fiainantsika ny 4 F”

“Aoka ho fiainantsika ny 4 F: fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana”. Izay ny hafatra Pentekosta FFKM, nampitainy omaly.

Tao anatin’ny Fanamb­rana sy hafatry ny Komi­ty foibe 47 sy fihaonambe FFKM, ny 19-21 mey 2026, nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsy ho filamatra fotsiny ny 4 F, fa ampiharina eny an-tokantrano sy ny fiarahamonina ary firenena. Fanahy Masina manavao, mampahery, mitari-dalana, manome fanantenana. Izany no asan’ny Fanahy Ma­sina niraisin’ireo Apostoly sy mpanara-dia an’i Kristy tamin’ ny andron’ny Pentekosta, rehefa nazoto niara-nivavaka izy ireo. Tsy miova ny asan’ny Fanahy Masina hatramin’izao taona 2026 izao. “Koa aoka hazoto amin’ny fiombonana mivavaka isika zanaky ny FFKM, hanaiky havaozin’ny Fanahy Masina ka ho tanteraka isika amin’ny asa tsara rehetra. Satria nohariana ho amin’izany isika”, hoy ny hafatra.
“Antony nanatanterahina ny fivoriana teny amin’ny Fo­fikri Ilafy, ny 19-21 mey 2026, ny nampitana ny ho fomba fitarihana ny fikaonandoham-pirenena araka ny tahirin-kevitra efa neken’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ka hiainga hatrany amin’ny fokontany, mba hipaka hatrany ifotony ny fanavaozana, ary koa mba hetsehana ny rafitra FFKM rehetra izay misy hatrany amin’ny fokontany.” Izay ny momba ny fikaonandoham-pirenena. Manangona sy mampifanakalo hevitra ary mandravona izany no anjaran’ny FFKM mandra-pahavitan’ny andraikiny. Manao antso avo amin’ireo tsara sitrapo tia tanindrazana, ma­naiky ny fitarihan’ny FFKM, hiara-misalahy aminy amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Hamadihana ny fehinkevitra ho lalàmpanorenana vaovao sy lalàna marolafy izany, ho rafi-pitantanana sy rafi-piarahamonina vaovao hifanekena sy hifampaherezana ary ho fampandrosoana ny tanindrazana iombonana, indrindra ho fampihavanana.

R. Nd.

Partager sur: