Hofaritana any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny rafitra hitondrana ny firenena ka hamaritana raha mbola hijanona amin’izao ihany ny fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara. « Mbola tendrena aloha, hatreto, ny lehiben’ny fokontany. Nanomboka ny taona 2009 no tsy nisy fifidianana intsony », hoy izy.
Voatendry ho masoivoho frantsay vaovao hiasa eto amintsika i Jean-Marc Grosgurin. Efa ambasadaoron’i Frantsa tany Yémen sy Arabie Saoudite ary tany Guinée izy. Tany Centrafrique kosa no niasany farany, mialoha izao fanendrena azy izao. Hisolo ny ambasadaoro teo aloha, i Arnaud Guillois, izy manomboka izao.
Tsy mahazo mirotsaka amin’ny fifidianana ireo manana zom-pirenena hafa ankoatra ny Malagasy, araka ny nambaran’ny mpitarika ny APM, Rakotoarisoa Alban « Baba ». Tolo-kevitr’izy ireo amin’izao fikaonandohan’ny Ceni izao izany. « Tsy mahazo mirotsaka ho fidiana izy ireo na “par filiation”, na “naturalisé”, na “double nationalité”, hoy izy.
Nampita hafatra Pantekoty ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nambarany fa miray fo amin’ny vahoaka ny tenany na lavitra aza, indrindra amin’izao zava-tsarotra lalovana izao.
« Aza manahy isika fa tsy misy haizina na fijaliana maharitra mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny fahazavana sy ilay maraina vaovao », hoy izy.




