Hisy ny fandaharana manokana hataon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny alahady 31 mey izao. Hanomboka amin’ny 8 ora alina ny fandaharana ka anisan’ ny hampita izany ny eo anivon’ny TVM sy ny RNM. Eo koa ireo haino aman-jery tsy miankina hafa.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety rosianina, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’ny diany tany Rosia. Voaresaka ny endriky ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Nitondran’ny lehiben’ ny governemanta fanazavana ny resaka demokrasia. « Demokrasia an’ny Malagasy tsy alaina tahaka amin’ny an’ny hafa no hapetrakay », hoy izy.
Lohahevitry ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena: « Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara ». Nambaran’ny Jly Andrianilaina Tiana Dodo fa asaina daholo ny olom-pirenena rehetra: sivily, miaramila, ireo manana fahasembanana na tsia hanatrika ny matso. Tsy hisy kosa anefa tafika vahiny nasaina amin’izany.
Handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko GFFM, tarihan’ny Pasitera Mailhol, rehefa tena hita ny fanovana amin’ny fanomanana sy ny fikirakirana ny fifidianana. « Miankina amin’ny ezaky ny Ceni, hametraka ny mangarahara izany. Hiverina hatrany ny olana ara-pifidianana raha mbola tsy tena hita ny fanovana », hoy izy ireo, teny Ivato.




