Mois : mai 2026

Naratra mafy ny tompon-trano : 60 000 Ar nangalarina, nampiasana basy PA

Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Ava­radrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra […]

Kick Afrika- Maître Kelly : “Tokony hiankina amin’ny teknika ny fandraisan’anjara”

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny nanendren’ny filohan’ny Federasionin’ny kick boxing azy hisahana ny lafiny teknika ny Maître Rasoanaivo André Kelly. Nambarany fa tonga nanatona azy ny filohan’ny Federasionina, Rafidison José, ary nanankina aminy ny fametrahana ireo hitantana ny fanazaran-tenan’ny mpikatroka. Manoloana izany, nilaza izy fa miankina amin’ny lafiny teknika ny hahafahana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny fiofanana Beach-volley ho an’ireo teknisiana sy mpitsara nokarakarain’ny Ligin’Ana­la­manga. Niarahana tamin’ny mpampiofana Fidy izany. Nahazo mari-pankasitrahana ny mpiofana. Hotanterahina manomboka ny 22 mey izao kosa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity. Tafita any amin’ny dingana manaraka, […]

Baolina kitra – Can 2027: Andrasana anio ireo hiray vondrona amin’ny Barea

Hotanterahina anio, any amin’ny foiben’ny Federasionina egyptianin’ny baolina kitra (EFA), Le Caire, Egypte, ny antsapaka hahafantarana ny anaran’ireo firenena izay ho mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana, mandritra izany, ireo ekipam-pirenena izay hiray vondrona amin’ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa miisa 48 ny firenena tafita hifanintsana, hiady ny tapakila hiatrehana […]

Tsipy kanetibe – «Masters 2026» ; Tsy neken’ny FSBM ny fidiran’ny Decines amin’ny ekipa malagasy

Tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’ny “Masters 2026”, taranja tsipy kanetibe, i Madagasikara. Araka ny fikarohana natao, miditra amin’ny fandrafetana ny ekipam-pirenena malagasy ny klioba Decines France. Fanapahana, notsipahin’ny Federation sport boule malagasy (FSBM) izany. Mbola ambentin-dresaky ny maro hatramin’izao ny tsy fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Masters 2026”, taranja tsipy […]