Ceni : Hatsangana ny rafitra maharitra fifampidinihana

Nafana ny adihevitra, tsy ampy ny fotoana… Izay no tsapa sy niainana nandritra ny fikaonandoha savaranonando nokarakarain’ny Ceni nandritra ny hateloana teny amin’ny CCI, Ivato, nifarana afakomaly. Manoloana izany: “Nana­pa-kevitra ny Ceni hanohy ny fomba fiasa mangarahara sy andraisan’ny rehetra”, hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny famaranana. Hatsangana ny sehatra maharitra fifampidinihana eo anivon’ny Ceni. Tsy eny amin’ny foibe ihany no hisy an’izay, fa hatrany anivon’ny distrika. Izay sehatra izay no iarahan’ny Ceni toy izay natao nandritra ny hateloana hifampidinika amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana: antoko politika, fiarahamonina sivily… Izay no hifampidinihana momba ny fifidianana. Mety hatao isam-bolana na isan-tsehatra toy ny mpanao politika na fiarahamonina sivily, mpanao gazety… Amin’iza­ny no hanambaran’ny Ceni izay hatao hiatrehana ny fifidianana. Hohenoina amin’izany koa ny soso-kevitr’ireo mpisehatra. Izay hiaraha-manapaka no hitondrana ny fifidianana.
“Afa-po tanteraka ny Ceni nikarakara”, hoy izy. Satria nivoaka tao anatin’ny fangaraharana ny zava-nokobonina sy ny zava-nitranga nampalahelo ny maro nandritra ny fotoana ela. Eo koa ny olana rehetra nosedraina tany amin’ny toera-miafina tsy hitan’ny besinimaro. Afa-po satria nangarahara sy nalalaka ny fitenenana nanditra ny hateloana. Tsy nisy notampenam-bava. Tsy nisy latsaka ireo lohahevitra 11 momba ny fifidianana, Nahatratra 500 latsaka kely ireo sosokevitra naroso. Tsy misy alatsaka izany fa noraketina avokoa ao anatin’ny antontan-kevitra hatolotra ny FFKM manomana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana handrafitra ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: