Fanenjehana mpitsara ambony: Mamaly bontana ny HCC

Mamaly ny fanambaran’ny minisitra Ernaivo Fanirisoa, ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na HCC. « Fanosihosena ny lalàna ny fanenjehana azy ireo », hoy ny sekretera jeneraly, Ranesa Firiana.

Niloa-bava, omaly, ny avy ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny HCC fa fanitsakitsahana ny lalàna ireny. Nisy ihany koa ny mpitsara avo tsy nahatam-bava, namoaka ny tsiambaratelo.
“Fanitsakitsahana goavana ny fahaleovantenan’ny HCC sy ny fisaraham-pahefana ary fandikana lalàmpanorenana ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana hamoaka didy fanenjehana mpanolotsaina avo noho ny asany”, hoy ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ranesa Firiana, teny Am­bohidahy, omaly. ”Eo amin’ny asam-pitsarana sahaniny, mahaleo tena ny mpitsara mpamoaka didy. Amin’izany, tsy azo tohintohinina na amin’ ny fomba inona na inona izy ireo amin’ny asam-pitsarana ataony ho fisahanana ny andraikiny”, hoy hatrany izy.
Narahina fanambarana ho an’ny olom-pirenena izany, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Voarakitra ao anatin’izany fa: “Eo am-panatanterahana ny asany, mifampidinika sy ma­napa-kevitra ny mpikamban’ny HCC. Tsy tokony hisy hilaza fa mahafantatra izay resaka anatiny. Tsy azo avoaka fa mijanona ho tsiambaratelo. Malalaka ireo mpikambana manazava sy mamosaka ny heviny amin’ny fandraisana fitoriana na tsia, ka irosoana na tsia amin’ny fandinihana izany”.

Tranga manokana
Arovan’ny andininy faha-108 amin’ny lalàmpanorenana izay fahafahana manokana hananan’ny mpitsara avo izay. ”Miaro ny fanehoan-kevitry ny mpikambana tsirairay ao amin’ny HCC momba ny raharaha iray nodinihina sy iadian-kevitra. Tsy azo anenjehana azy ireo ara-pitsarana, ka atao hoe heloka tsotra na heloka bevava. Antoka iarovana ny mpitsara mpamoaka didy rehetra amin’ny ambaratongam-pitsarana rehetra izay lalàna izay.”, hoy ny vontoatin’ity andininy ity.
Na izany aza, araka ny andininy faha-133 sy 134 amin’ny Lalàmpanorenana: ” Azo atao ny manejika ara-pitsarana ny mpikamban’ny HCC na heloka tsotra na heloka bevava mety ho nataony. Nefa tsy mahakasika na miainga amin’ny fanehoan-kevitra nataony mandritra ny fandinihana raharaha namoahana didy izany”

R. Nd.

Partager sur: