FANTINA sy FINTINA

Eo am-panomanana ny fanadihadiana parlemantera an’ireo raharaha mafanafa ny eny anivon’ny Antenimierampirenena, amin’izao, araka ny nambaran’ny depioten’i Fianarantsoa I, Seth Rajoelina, teny Tsimbazaza, omaly. Kendrena hovitaina amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fanadihadiana parlemantera rehetra.
Fanamiana 32 sy zavamaneno 34 ho an’ny mpitsoka mozikan’ny governemanta no noraisin’ny Prai­minisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Maha­zoarivo, omaly. Nanolotra izany ny ambasadaoron’i Chine miasa eto Madagasikara, Sem Ji Ping. Nisaotra ny firenena sinoa amin’ny fanohanana tsy misy fepetra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Prai­minisitra.
Fanomanana ho amin’ny fampiasam-bola sy ny fiaraha-miasa amin’ny fambolena ny fihaonan’ny konsilin’ny Fanjakan’i Israely, i Haim Berkovits sy i Itshak Mamo, tamin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Ambohitsorohitra, afakomaly, araka ny fampitam-baovao omaly. Miompana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy famoronana harena ny dinika.
Hijoro hanohana ireo olona manana toe-tena varira ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nihaonana tamin’ireo mpitarika ny fikambanan’ireo olona manana izany toe-tena izany, i Solo Fulgence, teny Maha­zoarivo, afakomaly.

Partager sur: