“Tokony hatsahatra ny fitsabatsabahana andraikitra izay fanitsakitsahana ny fahefana mpitsara, indrindra ny fidirana any anatin’ny fanapahan’ny mpitsara”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Anosy, afakomaly, manoloana ny fitsabahan’ny mpanatanteraka ny raharaham-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).
“Tsy marina ny filazana ny amin’ny fisian’ny “firongony” eo anivon’ny Faritra Analamanga”, hoy ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana vonjimaika, Rahanirina Clémence, teny Mahamasina, omaly. Ny asa no tokony hifampitsarana. Maro ireo mpiasam-panjakana teknisianina manao ny asany eo anivon’ny Faritra Analamanga ka tsy azo faritana sy hotsaraina avy hatrany ho “firongony” avokoa izy ireo.
“Mila miara-miaiky isika fa tsy ampy mba tsy hitenenana hoe tsy misy ny serasera momba ny fanazavana ny amin’ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana, sady filohan’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, omaly, manoloana ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena amin’izao. Manomboka izao, izay no mila hatao mazava tsara mba tsy hihinana amim-bolony ny mpiray tanindrazana.




