Kolonely Randrianirina Michaël : “Manohana ny fanambaran’ny HCC aho”

Manoloana ny fanenjehana ireo mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, nanambara ny fanohanany ny fanambaran’ity andrimpanjakana ity ny filohan’ny Fanavaozana.

“Tsy miditra amin’ny asan’ny fitsarana sy ny manodidina azy isika. Izaho indray dia manohana ny hoe: tsy azo enjehina ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ao amin’ny fivoriana ataon-dry zareo”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ ny mpanao gazety, taorian’ny nandraisana ireo fitaovana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny minisite­ran’ny Angovo sy ny akora­nafo, teny Ampandrianomby, omaly. Azo enjehina kosa ny mpikamban’ny HCC raha misy fahadisoana nataony tany ivelany, na mikononkonina fa­nonganam-panjakana. Araka izany, manohana ny fanambarana navoakan’ny HCC izy.
“Zavatra telo lehibe no tena tsy maintsy nohamafisina tao”, hoy kosa izy momba ny fivoriana teny Ambohitsoro­hitra, afakomaly. Efa fanapahan-kevitra teo aloha ihany izay, fa nohamafisina mba hanatsarana ny fitondrana ny fikaonandoham-pirenena. Eo aloha ny fitantanan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena. Faharoa, eny amin’ny Prima­tiora no hatsangana ny komity teknika. Fahatelo, manao tan­tsoroka ny FFKM amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny minisitera misahana ny Fanavaozana. Amin’ny fitaovana, teknika, filaminana, izany. Hivory amin’ ny herinandro ny komity tek­nika hametrapetraka ny pitsopitsony amin’ny fitantanana ny fikaonandoham-pirenena. Aorian’izay, hanofana ireo rantsamangaikany eny anivon’ ny fokontany sy ny kaominina, ny distrika sy ny Faritra ny FFKM. Mety ho herinandro na tapa-bolana izay. Mbola hanazava amin’ny fampahalalam-baovao ny fomba hitantanana ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, fa tantsoroka no ataon’ny fanjakana.

R. Nd.

Partager sur: