Amnesty International : “Tokony havoaka eny Tsiafahy Rabetsaroana Sylvain “

Misy manara-maso ny toe-draharam-pirenena eto Madagasikara, indrindra ny fanajana ny zon’olombelona. Takin’ny Amnesty International ny hamoahana an-dRabetsaroana Sylvain any Tsiafahy.

“Ao anatin’ny fanenjehana nanomboka ta­min’ny 14 oktobra 2025 amin’ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha, taorian’ny fiovam-pitondrana, ny lo­holon’i Madagasikara teo alo­ha sady efa kandidà ho filohan’ny Repoblika, Rabetsaroana Sylvain, amin’izao fotoana izao”. Io ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny Amnesty International, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsy maintsy manafoana ny fiampangana rehetra sy mamoaka azy avy hatrany ny manampahefana malagasy, araka ny fanambarana. Satria noho ny fampiharana am-pilaminana ny fisitrahana ny zon’olombelona izany.
Nosamborina tamin’ny fomba feno herisetra sy jadona izy tamin’ny 14 marsa 2026, araka ny fampitam-baovao. Tamin’ny fisafoana vao mangiran-dratsy tao amin’ny trano fonenany, Antananarivo Renivohitra, izany. Miaramila sy zandary ary polisy nirongo fiadiana sy misaron-tava no nanao an’izay. Notazonina nandritra ny tapa-bolana izy, nefa tsy nampahafantarina ny anton’ny fisamborana azy. Nampangaina ho nanao firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava izy: fitazonana basy tsy ara-dalàna. Toa nisy fitaovam-piadiana niniana natao tao an-tranony, araka ny fanambaran’ny Amnesty International. Voalaza koa fa hoe hamono ny filoham-panjakana izy.
Amin’izao, tazonina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy izy. Fonja izay feno hipoka. Amin’izany, ahina mafy hiharatsy ny fahasalamany. Izay no namoahan’ny Amnesty International hoe tsy maintsy manafoana ny fiampangana rehetra azy sy mamoaka azy avy hatrany ny manampahefana malagasy.

R. Nd.

Partager sur: