Nolavin’ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika an’i Mendrika, omaly. Namoaka fanambarana anefa i Rakool vadiny fa nankatoavin’ny minisitra izany. Afaka mitsabo ny zanany izy.
Nitohy omaly indray ny fotoam-pitsarana mahakasika ny raharaha Ambohimalaza. Nanomboka tamin’ny 9 ora sy 10 minitra maraina izany. Anisan’ny nisongadina tamin’izany, ny fandavan’ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’i Mendrika, vadin’i Rakool. Anisan’ny nazavain’ny mpisolovava azy nandritra ny fotoam-pitsarana fa sempotra ny zanak’ity farany ary tsy maintsy naiditra hopitaly eny amin’ny Homi Soavinandriana. Manoloana izany, nangataka fahafahana vonjimaika ho an’ity farany ny mpisolovava niaro azy mba hahafahany mitsabo ny zanany. Nambaran’ny mpitsara fa tsy mari-pototra ny fangatahana ka nolavina. Mijanona any am-ponja, araka izany, ny tenany mandra-pisian’ny didy hafa. Araka ny nambaran’ny andininy faha-380, ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny paikady heloka bavava, tokony hiseho eo anatrehan’ny fitsarana ireo olona rehetra voakasiky ny fitsarana. « Ny fitsarana etoana dia mahita fa mbola mandeha ny fifandaharana ary mety mbola hisy fanontaniana na zavatra hafa mety ilaina azy. Mba hampirindra ny fitsarana ny raharaha dia lavina ny fangatahana”, hoy ny lehiben’ny mpitsara.
Nohafahan’ny minisitry ny Fitsarana
Taorian’ny fotoam-pitsarana, omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, nanao fanambarana tamin’ny tambajotra an-tserasera, tao amin’ny pejin’ny 24hMada i Rakool, vadin’i Mendrika. Nambarany tamin’izany fa nomen’ny minisitry ny Fitsarana fahafahana, hitsabo ny zanany i Mendrika. « Amin’ izao alina izao dia nomena fahafahana i Mendrika mba hahafahany mitsabo sy manakaiky ny zanany, araka ny fangatahana izay nataonay », hoy izy. Misaotra ramatoa minisitra fa manana fon-dreny tokoa ianao afaka nihantra anay, ka nanome izao fahafahana kely izao, raha ny fanazavany. Mankatsitraka ireo vahoaka marobe ihany koa izy niara-niady tamin’izy ireo nandritra izany. Voalaza fa fahafahana vonjimaika, arahina mpiambina, ahafahana mitsabo ny zanany no azon’i Mendrika.
Ankoatra ny fangatahana onitra, nanazava mahakasika ny fahafatesan-janany izay namonjy ny fety tsingerintaona mainty io avokoa ny ankamaroan’ireo mpitory. Anisan’ ny nohenoina ny renin’i Onja sy i Nombana. Nambarany fa nasain’i Fenohasina nivantana ny zanany ary nisy ny sary napetraky ny reniny teo alohan’ny fitsarana nanamarina izany.
Mino





