Niainga ho any Libreville, Gabon, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina niaraka aminy. Fitsidihana arak’asa no hataon’izy ireo. Anisan’ny lehibe ny fihaonana amin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny firenena roa tonta sy ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa aty Afrika.
Ankoatra ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, an’i Jakarta, Indosnesia, nisy ny fihaonany tamin’ireo teratany malagasy na diaspora any an-toerana. Nifampizarana tamin’izany ny firaiketam-pon’ny Malagasy any an-toerana amin’ny tanindrazana sy ny fifandraisan’i Indonezia sy Madagasikara. Tetezan’ny firenena roa tonta izy ireo, tsy mpanara-maso ny fampandrosoana eto Madagasikara fotsiny fa mpiantsehatra fototra.
Nifarana teny Anosy, omaly, ny fihaonamben’ny vehivavy mpitarika izay naharitra roa andro, teo ambany fiahian’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Elisa. 20 mahery ireo vehivavy mpitarika nandray anjara, avy amin’ny sehatra politika, olom-boafidy eny ifotony, mpandraharaha, teknisianina, fiarahamonina sivily… Tanjona ny hanamafisana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena, zotram-pifidianana, sehatra fanapahan-kevitra…




