Minisitry ny Fitsarana: “Fanakorontanana no anenjehana ny depiote Rajerison A.”

“Tsy ny fanehoan-kevitra nataony no anenjehana ny depiote Rajerison Antoine, fa noho ny mahavoarohirohy azy ao anatina famatsiam-bola fa­nakorontanana eto amin’ny firenena”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny fa­nenjehana ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine. Mba hahazoana manao fanadihadiana azy no nanalana ny tombon-jo parlemantera. Tsy hoe tsy azo enjehina ilay olona ny fanalana izany, fa fepetra iray ahazoana manenjika ny depiote izay. Azo enjehina avokoa ny olona rehetra eto Madaga­si­kara, fa misy karazan’olona ma­nana an’izay tombon-jo hoe tsy azo enjehina izay mandritra ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimieram­pire­nena. Izay no mahatonga ny fangatahana ny fanalana ny tombon-jo parlemantera.
“Nilaza ny filohan’ny Fa­na­vaozana fa tsy misy olona na iray aza tsy azo enjehina na inona toerana misy azy, raha ohatra ka anaovana fanadihadiana na voarohirohy ao anatina fanakorontanana ny fitondrana”. Izay kosa ny fanazavan’ny minisitra momba ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpanolotsaina avo efatra eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy ny fanapahan-kevitry ny HCC no anenjehana azy ireo, fa ny fandikan-dalàna mety nataony. Izay na mpikamban’ny HCC izy, na depiote, na inona… Tsy misy fanenjehana olona amin’ny fanapahan-keviny. Ny fandikan-dalàn’ny olona iray no hanokafana fanadihadiana sy anenjehana azy.

R. Nd.

Partager sur: