Maro ny vaovao niely mahakasika ny fanesorana ny zo tsy azo enjehina ny solombavambahoaka nandritra ny faran’ny herinandro. Nitondra fanazavana mahakasika izay ny depiote voafidy tao Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah. «Raha mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana tahaka izao dia tokony ho ny solombavambahoaka rehetra no mifidy sy manapaka ny fanesorana izany. Ivelan’izay vao ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra», hoy ity mpanao lalàna ity. Nohamafisiny fa samihafa tanteraka ny fanapahan-kevitr’izy ireo sy iretsy farany ka tsy tokony hafangaro.
Raha ny angom-baovao natao teny Tsimbazaza sy araka ny niely tamin’ny tambajotran-tserasera dia voakasika manokan’ity resaka ity, ny depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine. Namaly izany rahateo izy sy ny vahoaka notarihiny, afakomaly tany Manalalondo.
Midika izany fa nandray ny fanapahan-kevitra sady tsy tokony ho noraisiny sy mandeha ila ny birao maharitra. Niteraka fanankianana avy amin’ireo mpisintona lakolosy sy mpiaro ny fanavaozana rahateo izany ka nahatonga ny filohan’ny Antenimierampirenena ho namono afo. Nilaza izy fa tsy maintsy hajaina ny lalàna. Niaiky ny fisian’ny lesoka tany aloha izy ka tsy hamerina izany mba hisian’ny fanavaozana tena izy.
Randria




