Fanavaozana ny Repoblika : Vonona hanampy an’i Madagasikara i Gabon

Efa nandalo fanavaozana fitantanana i Gabon. Nitondra fampandrosoana sy filaminana izany. Fantatra izay tamin’ny fihaonan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema, tany Libreville, Gabon, ny faran’ny herinandro teo.

Azo alain-tahaka sy hiaraha-miasa i Gabon amin’ny fanananany traikefa ny amin’izany. Nilaza ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana rahateo ny filohan’i Gabon. Zava-dehibe ny tantsorok’i Gabon amin’ny fanavaozana eto Madagasikara. Manome lanja ny tantsoroky ny Sadc sy ny UA ary ONU i Madaga­sikara amin’ny dingana amin’ny fanavaozana. Ao anatin’izany i Gabon.
Ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka no antom-pisian’ny Fanavaozana mandritra ny roa taona. Izay mahasoa ny vahoaka no jerena. Mila faritana ireo laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa sy hanamafisana ny fifandraisana maharitra eo amin’ny roa tonta, na eo amin’ny kaontinanta afrikanina, na iraisam-pirenena. Nasongadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny fahaiza-manaon’i Gabon amin’ny fitantanana harena voajanahary sy ny fampiroboroboana indostria ary ny fiarovana tontolo iainana. Manoloana ireo fanamby amin’ny toekarena sy sosialy ary amin’ny toetr’andro aty Madagasikara, ilaina ny fanavaozana ny andrimpanjakana sy ny ady amin’ny fahantrana ary ny famoronana asa.
Nifanaraka ny roa tonta fa hanamafy ny fiaraha-miasa ary hitady sehatra vaovao hampivelarana ny fiaraha-miombon’antoka ho tombontsoan’ny vahoaka roa tonta. Nisy fitsidihana fanorenana fotodrafitrasa sy tetikasam-pampandrosoana any an-toerana, narahin’ny fihaonana tamin’ireo talen’ny tetikasa nisian’ny fanazavana ny nahatongavana amin’izany eo amin’ny lafiny teknika sy vola.

R. Nd.

Partager sur: