FANTINA sy FINTINA

Nolanian’ireo depiote teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo ny tolo-dalàna lah. 003-2024/PL momba ny fanavaozana ny satan’ny mpitsara. Tolo-dalàna naroson’ny mpahay lalàna, ny depiote voafidy tany Farafangana, Raby Savatsarah Ain’Harimanga. Tanjona amin’ny tolo-dalàna ny hampifanaraka ny sata ara-pitsarana amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny fanatsarana ny fitantanana ny fitsarana ary ny fanamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana.

Miantso ny hery fiarovana handroso amim-pahavitrihana hiaro ny vahoaka ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’ny lanonana nandraisana ny komandy vaovaon’ny faritra fiarovana ZDS Mandrare, Taolagnaro, Faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Hafany ny tokony hisian’ny fitokisan’ny vahoaka mba hahazon’izy ireo mijoro ho tompon’andraikitra sy miroso amin’ny fampandrosoana maha­ritra.

Fotoana hahazoana mifamela heloka araka ny sotoavina malagasy amin’ny fandalana fihavanana izao fanavaozana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Vovonana kristianina malagasy (VKM), Rasoloarijao Perle, ny faran’ny herinandro teo. Na izany aza, tsy midika izay fa tsy tokony hoenjehina ara-pitsarana izay nanao ny tsy mety tamin’ny fandikan-dalàna teto amin’ny firenena fa misy ny fitsarana avo (HCJ).

Partager sur: