Airtel-Smmec : Fampiasana tambajotra finday miisa 800

Nohavaozina, ny 8 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Business sy ny Orinasa malagasy fitahirizam-bola sy findramam-bola (Smmec).

Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fampiasana tambajotra, finday maherin’ny 800, hanamafisana ny serasera anatiny, handrindran’ny Smmec ny asany manerana ny Nosy. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny fampiasana ny niomerika, ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ary ny hampiroboroboana ny tontolo ara-bola eto amintsika.
Misitraka ny tolotry ny Vondrona Bharti Airtel daholo ireo firenena 14 misy azy aty Afrika, ka anisany i Mada­gasikara. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny fampiasana ny tambajotra avo lenta, ny internet amin’ny alalan’ny fibre optique, ny fifandraisan-davitra tsy mampiasa tariby. Sahaza ny rehetra, ny mpampiasa ny Data Center, ny matihanina, ny orinasa, sns izy io.
« Zava-dehibe ho anay ity fiaraha-miasa ity. Tanjona ny hanome vahaolana ara-teknolojia matanjaka ny mpanjifa », hoy ny Tale jeneralin’ny Airtel Business Madagasikara, Ran­driamanana Santatra.
Hanamora ny fifandraisandavitra

Nanamafy ny tale jene­ra­lin’ny Smmec fa safidy manan-danja amin’ny hoavy ity fanavaozana ny fiaraha-miasa ity. Ho an’ny Smmec, zava-dehibe ho azy ireo ny fahazoana ity fifandraisana tambajotra (flotte) miisa 800 ity. Hana­mora ny fifandraisana amin’ny finday eo amin’ny mpiasa any ifotony amin’ireo masoivoho manerana ny Nosy izany, hanamora ny asa, sns.

Njaka A.

Partager sur: