Fanisana mpifidy eny ifotony : “Ny 15 jona hatramin’ny 20 jolay”, hoy ny Ceni

“Ny fotoana tsara ho fantatra, manomboka amin’ny 15 jona ary hifarana ny 20 jolay ho avy izao ny fanendrena ireo mpikambana amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, ka hanisana mpifidy eny ifotony, isam-pokontany. No­ho izany, entanina dieny izao ireo lehiben’ny fokontany izay tomponandraikitra voalohany amin’ny fanolorana olona hiara-miasa aminy, ho mpikambana ao anatin’izay CLRE izay. Entanina dieny izao koa ireo lehiben’ny fokontany hijery sahady ireo olona tokony hohatoniny fa hahavita ny asa fanisana mpifidy hiara-miasa aminy.
Toy izany koa, entanina ny eny anivon’ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily hihevitra sahady izay ho solontenany amin’izay CLRE izay. Nohamafisiny, ny 15 jona -20 jolay izay no hanendrena izay ho mpikambana. Mazava ny fepetra ho an’ireo izay miditra hisahana andraikitra fanisana mpifidy ao anatin’ny CLRE. Voalohany, olona mipetraka ary mahalala tsara ny eo anivon’ny fokontany. Mahay mamaky teny sy manoratra tsara sy manana karapanondrom-pirenena. Manampy izay, vonona ary maneho ny fahavononany hanatontosa ny asa aman’andraikiny fanisana mpifidy ao anatin’ny tsy fitanilana sy tsy fiandaniana eo an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: