VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mangapaika, amin’ny lalam-pirenena RN4, PK505, nanomboka ny alahady 7 jona teo. Tsy niandry ela, nisy avy hatrany ny asa maika nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Efa lasa avokoa ireo fiara rehetra voatery nijanona teny an-toerana. Tsiahivina fa ny sabotsy 6 jona teo no nisy fiarabe latsaka tao anaty tetezana, antony nahatonga ny loza. Eo am-panomanana ny hametrahana tetezamby vonjimaika ny minisitera.

Nisy delestazy, fanapahana herinaratra mise­sy, omaly alina, tao anatin’ny Tambajotra iraisan’­ Antananarivo (RIA). Ao anatin’ny fotoana mahabe ny fampiasana herinaratra no nisiany, nanomboka tamin’ny 5 ora sy 30 mn hatramin’ny 8 ora alina. Antony, nisy fahasimbana ny milina, gropy G3, ampiasain’ny AfriPower (Symbion teo aloha) eny Mandroseza. Novinavinaina naharitra adiny 5 ny asa fanarenana.

Hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny APMF sy ny orinasam-panjakana SMMC any amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar, faritra Sava. Mandrindra ny lafiny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy ny APMF, raha mitantana ny entana tonga sy alefa any ivelany, eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny SMMC. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Andrianavalona Herizo, ny 5 jona teo, nijery ifotony ny zava-misy. Nambarany koa fa efa eny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna hanatsarana ity sehatra ity, satria efa lany andro.

Partager sur: