Angovo: Hamatsy solika antsika i Nizeria

Nitondra zava-baovao ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika (PRRM), ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy 8 jona teo. Nambarany fa zava-dehibe ny dia natao tany Nizeria, satria nisy ny fifanarahana, izay nankatoavin’ny fanjakana nizeriana amin’ny hamatsiana solika an’i Madagasikara. Hatao tsy ho ela ny fanaovan-tsonia izany fifanarahana izany.
Ankoatra izay, tsiahivina fa efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 19 mey teo, ny hanitsiana ny Politikan’ny fanjakana, mamaritra ny sehatry ny solika aty ifotony (Aval pétrolier). Ao anatin’izany ny fanalalahana ny fandraharahana amin’ny famatsiana sy ny fitsinjarana ny solika ho an’ny mpanjifa, mba tena hisian’ny fifaninanana marina. Izany hoe, azon’ny mpandraharaha hafa amin’ny solika, eto an-toerana na avy any ivelany, ny misehatra amin’izany. Toy ny famatsiana, ny fanadiovana (raffinerie), ny maninjara. Singanina amin’izany ity fifanarahan’ny fitondram-panjakana amin’i Nizeria, na firenen-kafa, hamatsy na haninjara solika eto Madagasikara ity, mba tena hisian’ny fifaninanana tokoa.

Njaka A.

Partager sur: