FANTINA sy FINTINA

Natao teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, afakomaly, ny atrikasa fanazavana sy fakan-kevitra momba ireo volavolan-dalàna hankatoavan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena efatra. Heverina fa hitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ny fanatsarana ny tontolo ara-dalàna eto Madagasikara ireo fifanarahana ireo.
“Ny fitsarana no mahalala ny momba ny fanagadrana olona”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Kintana, i Tabera Christian. Na izany aza, mba hatao tsara sy manara-dalàna ny fanadihadiana vao miditra amin’ny fisamborana. Satria somary misy fahadisoam- panantenana ireo olona niara-nitolona tamin’ny tena. Tena miasa ny fitsarana. Na izany aza, atahorana ny krizina andrimpanjakana raha mitohy ny tsy fifampiresahana.
Nanao fampiofanana momba ny saina artifisialy (IA) ho an’ny depiote, teny Tsimbazaza, ny eo anivon’ny Unesco, ny Dr Kamel El Hilali, afakomaly. Anisan’ny tombontsoa azon’ny parlemanta amin’ny fampiasana ny IA ny fanafainganana ireo asa karoka sy fanoratana ireo tolo-dalàna sy ny fanomanana ny asam-baomiera ao anatin’ny asan’ny depiote. Manam­py amin’ny hisian’ny fangaraharahana amin’ny adihevitra sy mampihena ny fotoana lany eo am-panatanterahana ny asa koa ny IA.

Partager sur: