Tombana amin’ireo minisitra : Tsy azo ihodivirana ny hanovana ny governemanta

Efa mandeha ny tombana amin’ireo minisitra. Eo koa ny tohin’ny fifampiresahan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ireo mpitarika antoko politika ka hiafara amin’ny fanovana ny governemanta.

Efa manangasanga izany fanovana amin’ny ampahany na manontolo ny governemanta izany ary tsy ho dila ity volana oktobra ity. Voalaza fa efa hodinihina tsy ho ela ny hijerena ny ho firafitry ny mpanatanteraka. Teo koa ireo fifanatonana sy fifampiresahana teo amin’ny filoham-panjakana sy ireo mpitarika antoko politika tato ho ato. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana politika rahateo izany sady anisan’ny fitakian’ny sehatra iraisam-pirenena ny ho amin’ny fiaraha-mitantana.
Ankoatra izany, maromaro ireo antoko sy vovonana politika nitaky ny hametrahana ny governemantan’ny marimaritra iraisana, nanomboka ny taona 2025, tamin’ny alalan’ny fikaonandoha nataon’izy ireo.

Fitakian’ny sehatra iraisam-pirenena

Etsy andaniny, efa ao anatin’ny fanombanana ny asa vitan’ny governemanta ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, ka tokony ho efa hanomboka amin’ity herinandro ity izany. Nanambara izany rahateo ny tenany tamin’ny herinandro lasa, tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taon’ny 25 septambra. Midika izany fa mety ho aorian’ny tombana amin’ireo minisitra izany fanovana manontolo na ny ampahany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihiny izany. Mety ho tonga amin’ny fisokafana amin’ny vondron-kery hafa koa anefa izany fiaraha-mitantana izany, araka ny fitakian’ny sehatra iraisam-pirenena ny amin’ny tsy tokony hanilihana ny ankolafin-kery hafa eto amin’ny firenena.
Araka izany, tsy mandeha ho azy ny fijoroan’ireo vovonana na fikambanana samihafa manohana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika tato ho ato ireo.

Synèse R.

Partager sur: