Fihariana Bambou : Nahazo famatsiam-bola 2 tapitrisa dolara avy amin’ny CIDCA

Azo hahodina ho vokatra maro samihafa ny volotsangana. Misy ny tetikasa entina hampiroboroboana ity lalam-pihariana ity. Tanjona ny hitondra fampandrosoana maitso sady hampihenana ny fahantrana.

Nampahafantarina omaly, ny tetikasa hampiroboroboana ny la­lam-pihariana Volontsan­gana (Bambou). Mitentina 2 tapi­trisa dolara ny tetikasa, avy amin’ny Antokondraharaha sinoa misahana ny fiaraha-mi­asa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (CIDCA), mandritra ny roa taona. Mana­tanteraka azy ny Fikamba­na­na iraisam-pirenena momba ny bambou sy ny rotin (IN BAR), ny Foibe iraisam-pirenena momba ny bambou sy ny rotin (ICBR), ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd) ary ny Foibe malagasy misahana ny loharanon-karena voajanahary sy ny teknolojian’ny Volotsangana (CM BART). Nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny INBAR, Rajaonarison Njaka, fa tanjona ny hitantanana maharitra ny loharanon-karena volotsangana, ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary, ny fampiroboroboana ny fanodinana ny volotsangana ary ny fanamorana ny tsena sy ny lalam-barotra.
Faritra dimy (Analamanga, Atsinanana, Vatova­vy, Fito­vinany ary Diana) no voakasiky ny tetikasa. Miisa 3 000 ny mpisitraka mivantana, ka kendrena ho 1 000 ny vehivavy, raha lehilahy ny 2 000. Mahe­rin’ny 50 000 ny mpisitraka tsy mivantana.

Famokarana indostrialy

Anisan’ny mampiavaka ity tetikasa ity ny fanomezan-danja ny mpamokatra eny ifotony sy ny sehatra tsy miankina. Hamafisina ny fahaiza-manao amin’ny fambolena volotsangana. Ankoatra ny mahazatra (trano, fanaka, lakana, …), maro ny vokatra indostrialy azo hanodinana ny volotsangana, toy ny taratasy, gorodona, temotra sy ny hafa. «Misy karazany 41 ny volotsangana eto Madagasikara, ka tsy misy afa-tsy eto amintsika ny 35. Mila fantarina anefa ny karazany sy ny azo hanodinana azy ary indrindra ny habetsany, raha ho ampy hahodina ara-indostrialy», hoy ihany Rajaonarison Njaka.
Anisan’ny nanatrika ny fo­toana, omaly, ny masoivohon’i Sina, i Ji Ping sy ny sekretera jeneralin’ny minisitera Medd, i Zamany Heriniaina Rufin.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: