Kolonely Randrianirina Michaël : “Vonona hanao fifidianana isika”

Mbola manamafy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa efa mizotra mankany amin’ny fifidianana i Madagasikara.

“Hampisehoana amin’ny fivondronamben’ny firenena afrikanina sy ny fiombonambe iraisam-pirenena ny fahavononantsika hanaraka ny dian’i Gabon, nahavita fifidianana tao anatin’ny roa taona na tao anatin’ny fitondrana Teteza­mita aza”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny am-pahatongavana, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly, avy any Gabon sy Nizeria. Fifanaka­lozan-kevitra no tena natao tany Gabon ny amin’izay dingana nataony nahavita an’izay tanjona izay: fifidianana tao anatin’ny Tetezamita roa taona.
Notsiahiviny fa be dia be ny zavatra natao tany Gabon, ary tsara ny fandraisana. Nisy ny fambolen-kazo, indrindra ny fifanakalozan-kevitra izay tena anton-dia tany.

Hamatsy solika
“Zava-dehibe ho antsika firenena malagasy ny dia tany Nizeria”, hoy kosa izy momba ny dia tany Nizeria izay nahitana ny mpanolotsaina avo, ny kolonely Rampanarivo Thierry, delegasionina niaraka taminy. Teo koa ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Rabearimanga Radonirina Lucas. Fifanekem-piaraha-miasa amin’ny famatsiana so­lika no nifampiresahina sy natao tany. Efa nahazo ny fankatoavan’ny firenena nizerianina i Madagasikara fa hatao tsy ho ela ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana. Hiroso amin’izay famatsiana solika izay i Nizeria.

R. Nd.

Partager sur: