Minisitra Dr. Ramiarison : Laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toekarena

Anisan’ireo nitondra fanazavana momba ny fepetra sy ny laharam-pahamehan’ny go­­vernemanta, nanoloana ny solombavabahoaka teny Tsim­bazaza, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Notsipihiny fa tsy maintsy hatao ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny Ma­la­gasy sy ny fitoniana ara-toekarena. Fanampin’izany, ha­fainganina ny famoahana ireo famatsiam-bola sy ny fanohanana ny sehatra afaka mamorona asa eto an-toerana, hisitrahin’ny mponina izany.
Ankoatra izany, notsindrin’ny minisitra manokana fa hohamafisina ny fanohizana ireo ezaka hanatsarana ny tolotra ho an’ny olom-pirenena eny ifotony. Izany hoe, ny fanatsarana ny asam-panjakana ho an’ny vahoaka, toy ny fanapariahana ny ivon-ketra sy ny taratasim-panjakana fenoina (imprimé) any amin’ny faritra. Eo koa ny fanafainganana ny fanatanterahana sy ny fananganana ny fotodrafitrasa lehibe eo amin’ny sehatry ny rano, ny angovo ary ny fanamboaran-dalana.

Ahafahana mandinika mialoha

Nohazavain’ny minisitra, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, ihany koa fa efa napetraka mialoha teny amin’ny Antenimierampirenena ny an­tontan-kevitra mirakitra ny Te­tibola nasiam-panitsiana (LFR 2026). Antony, mba hahafahan’ireo solombavambahoaka rehetra mandray anjara amin’ ny adihevitra sy manaraka akaiky amin’ny antsipiriany ireo fepetra voarakitra ao anatiny izany.

Njaka A.

Partager sur: