Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay zandary nitifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, ny alin’ny zoma 5 jona 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga. Namoizan’aina, lehilahy 18 taona, sy naharatrana lehilahy roa hafa izany. Naneho fisaorana ny avy eo anivon’ny Fitsarana sy ny ao amin’ny Zandarimaria ny solombavahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’i Mahajanga II, Ramananarivo Orlando, manoloana izany. « Tsy nanao ambanin-javatra iny raharaha iny ka nahafahana namoaka izao didy izao », hoy izy, tao amin’ny kaonty facebook. Raha tsiahivina, nandritra ny famaranana ny “festival Vary Maitso”, tao Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, zandary iray niantoka ny filaminana nandritra izany no nitifitra olona telo. Namoy ny ainy ny iray ary naratra ny roa ambiny. Nisy fifanenjehana sy fifanosehana teo am-bavahadin’ny toerana nidirana sy nanaovana ny lanonana. Niezaka nampitony ny vahoaka ilay zandary niandraikitra ny filaminana tamin’izany. Nampitandrina hanao tifi-danitra izy mba hampilamina ireo olona saingy nahavoatifitra olona miisa telo. Vokany, maty tsy tra-drano nandritra izany, ny tovolahy iray, olona roa hafa naratra mafy. Tezitra noho izany ny mponina sy ny fianakavian’ilay namoy ny ainy. Naterin’izy ireo tao amin’ny biraon’ny zandary ny razana.
Mino




