Miditra vanim-potoana mangatsiaka ny eto an-dRenivohitra, ankehitriny. Manomboka mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo endrika tsy fahazakana na « allergie ». Tsy ny zaza intsony na ny vehivavy marefo no mahita faisana fa hatramin’ny olona mirijarija aza izao tratry ny kohaka sy ny fahatsetsenan’orona. Ho an’ny eto Antananarivo, efa iaraha-mahalala fa manampy trotraka, manome vahana ny aretina, ny loto sy ny fahapoizinan’ny rivotra.
Tsy mijanona ho an’ny eto afovoan-tany ny aretina isan-karaznay fa mamely tsikelikely any amin’ny faritra ihany koa izao ny Mpox. Efa am-polony maromaro no marary, raha ny ao Toliara manokana, vao maty afakomaly, tany an-toerana ny olona fahefatra matin’izany nedran-drajako izany. Mila mitandrina, araka izany, ny Malagasy tsivakivolo. Tsy ho sodokan’ny hoe any amin’ny faritra. Rehefa betsaka olona marary sy tsy ampy fitandremana dia tsy afa-bela.
Mampiteny ny tsy mahay miteny ny zava-misy any Toamasina, raha ny resaka fahasalamam-bahoaka koa no asian-teny. Raha ny fantatra dia miha mitombo sy mahazo vahana ny fikorontanana sy ny aretin-tsaina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Tsy ampy ny tohana, hany ka miady irery ny mponina. Marihina fa mbola tena mafimafy ny fanarenana ao an-toerana, mandrak’izao. Tonga amin’ny samy manavotra ny ainy izao ny mponina.
Na inona na inona zava-miseho, tsy atsahatra ny manantitrantitra ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fitiavana filaminana. Rehefa samy sahirana ihany, hafa ny salama sy matanjaka miatrika izany. Ny fahadiovana anefa no varavarana voalohany mitondra mankany amin’ny fahasalamam-bahoaka faobe. Tsy ny mpitondra na ny mpanao politika izay hita fa mialangalana.
r.r




