TSELATRA

Fiara lehibe iray mpitondra mpiasa mpanao pylone avy any Mahajanga no nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Olona iray namoy ny ainy, mpandeha maromaro naratra izay efa nentina notsaboina. Nandeha mafy ny fiara ary tsy nahafehy ny familiana ny mpamily ka nahatonga ny loza. Nahenoina fofona toaka ihany koa ny mpamily izay nitsaoka taorian’ny loza.
Lehilahy iray 24 taona, tratran’ny polisy nangalatra vata mpitahiry herinaratra amin’ireo jiro mpanazava eny amin’ny lalam-baovao, ny alahady teo. Tsikaritry ny mpiambina teny an-toerana nisokitra ny toerana misy ireo vata mpitahiry herinaratra izy. Nampandrenesina ny polisy ka tonga haingana nisambotra azy. Nahitana fonosan-drongony teny aminy nandritra ny fisavana azy.

Partager sur: