VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 379 km ny lalana eo Ihosy sy Ambovombe, ao anatin’ny lalam-pirenena RN13. Mitotaly 493 km izany hatrany Taolagnaro, efa vita godirao ny hatreo Ambovombe. Namatsy vola ny fanamboarana ny ampahany Ambovombe-Taolagnaro, mirefy 114 km, ny Vondrona eoropeanina (UE), izay ho vita tanteraka amin’ity taona ity. Tsy mbola fantatra kosa ny mpamatsy vola hanaiky hanatanterahana an’io ampahany Ihosy-Ambovombe io.
Politika apetraky ny fanjakana ny fanohanana mivantana ny tantsaha. Ao anatin’izany ny fanamorana ny fisitrahana ny zezika, ny masomboly manara-penitra ary ny fampitaovana mekanika. Zava-dehibe, andraikitra raisin’ny fanjakana koa ny fanajariana ny lemaka. Efa misy ny paikady hividianan’ny fanjakana fitaovana vaventy, toy ny traktera, ohatra, hanampiana ny tantsaha.
Avy amin’ny harena an-dranomasina ny 10% ny fanondranana any ivelany. Mahatratra ny
7% ny harin-karena faobe (PIB) izany. Fanamby lehibe hampiroboroboana ity sehatra ity ny fiatrehana
ny fiovan’ny toetr’andro, ny fikarohana ara-tsiansa ary ny ady hiatrehana amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-dranomasina. Misy ny paikady napetraka hanatrarana ny tanjona amin’ny taona 2030.

Partager sur: