Nitondra fanazavana, namaly ny fanontanian’ny solombavambahoaka, ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny talata 9 jona teo. Nomarihiny manokana ireo paikady lehibe, mamaritra ny politikan’ny fanjakana, entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara. Toy ny fanohanana mivantana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana masomboly sy zezika. Eo koa, ny fanajariana ny lemaka amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana mekanika vaventy, toy ny fanafarana trakitera, hanafainganana sy hanamorana ny asa. Hapetraka ny Sampana vonjy taitra eny ambanivohitra, hamonjena ny tantsaha tratry ny tondradrano na ny haintany. Hisy ny fizarana fitaovana, hampihenana ny fahaverezan’ny vokatra aorian’ny fiotazana.
Handray teknisianina 2 000 isan-taona
Manampy ireo, mahatratra 2 000 isan-taona ny teknisianin’ny fambolena, haparitaka manerana ny kaominina, mandritra ny 5 taona. Hanampy sady hanohana, hanome toro-hevitra ny tantsaha izy ireo. Ho tohanana ihany koa ny rojom-pihariana hafa, ankoatra ny vary, hampiroboroboana ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hanovana ny rafi-pamokarana ara-pambolena eto amintsika.
Paikady efa natao ary tohizana ireo voatanisa ireo. Tanjona ny hamoriana ny paikady hita fa mahomby, ary hampiharina amin’ny seha-pihariana isan-tsokajiny izany.
Njaka A.




