Fandrobana tao Vohitsara : Olona iray voafonja herin­taona an-tranomaizina

Nivoaka ny talata lasa teo ny didy mahakasika ny raharaha fandrobana mpandraharahara tao Vohitsara, ny 3 mey 2026 lasa teo. Lehilahy miisa telo no voampanga tamin’izany.

Voaheloka an-tranomaizina, sazy mihatra, Rami­lin­jaona Guillaume Lau­rent. Sazy mihantona ny an-dRazafindranjaona Tokiniaina ary nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana Rami­lison Kevin Bryan. Fanaovana fikambanan-jiolahy sy fanimbana fananan’olona, fakana an-keriny volan’olona, fandrahonana olona amin’ny fitaovam-piadiana, fisandohana andraikitra sy asa ary fidirana an-keriny an-tokantranon’olona no vesatra anenjehan’ny fitsarana azy telo lahy ireo.
Tsiahivina fa notafihan’ny jiolahy miisa dimy ny mpandrahadraha iray tao Vohitsara, ny 3 mey 2026 lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io izy ireo ary nilaza hanao fisavana nefa tsy misy taratasy. Nitsambikina tamboho ary nodarohan’izy ireo ny vehivavy mpiasa an-trano. Nosa­vaina ny entana rehetra tao an-trano. Lasan’izy ireo, tamin’­izany, ny fiara raitra miisa telo tao amin’ilay mpandrahadraha. Nisy nampandre ny mpitandro filaminana ny olona manodidina nandritra izany. Tonga ara-potoana ireto farany ka raikitra ny fifanenjehana. Tratra teo amin’ny sampanana “Plaque Relax” ny telo lahy sy fiara roa marika Toyota se­quoia sy Dodge ram. Tafa­tsoaka niaraka tamin’ny fiara iray hafa ny roa lahy ambiny. Niakatra fitsarana ny raharaha tamin’ny 28 mey ary izao nivoaka ny talata lasa teo izao ny didy.

Sajo

Partager sur: