Fivondronan’ny mpanao solonify : Misedra olana amin’ny fahazoana akora fototra

Misedra olana goavana eo amin’ny lalàna mifehy azy ireo ny mpanao solonify, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanambe ivondronan’ireo mpa­­nao solonify eto Mada­gasikara (Asproma), omaly, tetsy Ivato. « Somary misy sakantsakana ho anay mpanao asa tanana misehatra amin’ny fanaovana solonify ny lalàna misy », hoy i Barijaona, mpitondra tenin’ny fikambanana. Anisan’izany ny fanakanana sy fandrarana azy ireo amin’ny fampiasana akora fanamboarana izany izay hafarana any ivelany. « Tsy mahazo mampiasa sy manafatra ary mividy io akora fototra hanamboarana solonify io izahay », hoy ihany izy. Nambaran’izy ireo fa tsy misy eto an-toerana izany nefa tsy maintsy ilaina ka mila hafarana any ivelany. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana izy ireo mba hanavaozana sy hanitsiana io lalàna io, mba hamerenana sy hahaleo tena ny asa ataon’izy ireo. Satria, tsy mbola misy eto Madagasikara io vokatra iray io. Ankoatra izay, nambaran’izy ireo hatrany fa tsy manana olana amin’ny mpitsabo nify izy ireo na dia efa manomboka misedra olana mahakasika izany aza. « Tsy mahazo manala na mitsabo na manampina nify izahay fa anjaran’ny mpitsabo nify izany », hoy ihany izy. Manao solonify « amovible » na afaka miala no ataon’izy ireo fa tsy anjarany ny mikitika ny nify natoraly.

Mino

Partager sur: