Hiditra ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra (DGAE) ny Jirama, Manda Ny Aina Nomena, efa miatrika izany isika, ka nisy ny fandatsahana orana artifisialy ny alakamisy 4 sy zoma 5 jona teo. Niato kely ny sabotsy ary notohizana ny alahady 7 sy ny alatsinainy 8 jona. Nisy vokany ny asa natao na tsy hoe tsy nisy orambe nilatsaka aza. Satria, erikerika no hita ny zoma sy sabotsy tany amin’ny manodidina an’Andekaleka. Nisy orana kely ny alahady sy alatsinainy. Zava-tsoa azo, tsy nihetsika ny haavon’ny rano any amin’ny renirano mamokatra herinaratra any Andekaleka, ka tsy niova, noho izany, ny herinaratra novokarina.
Samy hafa ny vanim-potoana, ankehitriny, miohatra ny tamin’ny taon-dasa. Satria, efa niaina tanaty delestazy ny marsa 2025, nahatratra 39,5 MW ny fahabangan’ny herinaratra vokarina, ary niakatra 47,9 MW ny jona 2025. Tsy mbola nampihatra delestazy anefa isika amin’izao jona 2026 izao. Marihina, fa fanapahan-jiro, vokatry ny fahasimban’ny milina eny amin’ny toby AfriPower (Symbion teo aloha) eny Mandroseza ny zava-misy izao. Eo koa, ny fikojakojana na asa tsy maintsy hatao.
Njaka A.




