Vita fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina tamin’ny taona 2017 ny hamatsiany vola ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13, ampahany eo Ambovombe hatrany Taolagnaro. Vita izany, ankehitriny, hitondra fiovana sy fampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy.
Mitotaly 493 km ny lalam-pirenena RN13 eo Ihosy hatrany Taolagnaro. Nanaiky hamatsy vola ny fanarenana, hatao godirao, ny ampahany mirefy 114 km, eo Ambovombe hatrany Taolagnaro, ny Vondrona eoropeanina sy ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa tantsoroka ho an’ny fanamorana ny fivezivezena (PACR). Ho tokanana amin’ny fomba ofisialy ny zoma 12 sy sabotsy 13 jona ho avy izao ity lalana 114 km ity, miampy ny ampahan-dalana RN12A, eo Taolagnaro hatrany Ebakika, mirefy 45 km.
Hanova endrika tanteraka ny tontolon’ny toekarena sy sosialy any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny ny fahavitan’ity lalana ity. Hitondra ainga vao amin’ny sehatry ny famokarana, satria hiroborobo ny fivezivezen’ny vokatra sy ny olona. Hitombo ny karazan’entana sy vokatra ho tonga any an-toerana. Torak’izany koa ny fivoahan’ny vokatra avy any Ambovombe, Tsihombe, Amboasary, sns. Samy hidina ny vidin-javatra, ka hanatsara ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Tsiahivina, fa nahitana kere, haintany sy hanoanana tany amin’ny distrika Tsihombe, ny faramparan’ny taona 2018. Efa nihatsara anefa ny fiainan’ny mponina, satria anisan’ny tena nanohana ny Fid, tamin’ny alalan’ny Vatsin’ankohonana.
Ambanja-Antsiranana
Efa andalam-pahavitana ihany koa ny lalam-pirenena RN6, ampahany eo Ambanja, mandalo Ambilobe hatrany Antsiranana, mirefy 237 km. Namatsy vola azy ny UE sy ny BEI, ka mitotaly 73,6 tapitrisa euros ny famatsiam-bola ho an’ny RN6 sy ny RN13. Vola ampindramina avy amin’ny BEI ny 50,4 tapitrisa euros ary vola tsy averina, fanomezana avy amin’ny UE ny 23,2 tapitrisa euros. Mitotaly 235,5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny UE sy ny BEI ao anatin’ny tetikasa Global Gateway, hanamboaran-dalana eto Madagasikara.
Misy koa ny fandraisana anjara avy amin’ny fanjakana malagasy. Tafiditra ao anatin’io ny fanamboarana ny RN13 sy RN6 sy ny hafa.
Njaka Andriantefiarinesy




